Ry Fanahy Masina ô, midina ety
Areheto ao am-po, ny afonao
Ka hazavao indray ny haizin’ny fo
‘Zay niainanay hatrizay
Ry Fanahy Masina ô, midina ety
Areheto ao am-po, ny afonao
Ka hazavao indray ny haizin’ny fo
‘Zay niainanay hatrizay
Ampaherezo hatoky Anao
Onenonao ny fanahinay
Ry Fanahy Masina ô midina ety
Areheto ny afonao
Feon-kira
Ô ry Jeso Tompo tia mpanavotra
Ô mba raiso raiso izao ny vavakay
Ô hamasino re ny tena sy fo
Aza avela ho lavitra Anao
Ô ry Jeso Tompo tia mpanavotra
Ô mba raiso raiso izao ny vavakay
Ô hamasino re ny tena sy fo
Aza avela ho lavitra Anao
Sambatra indrindra izay anilaNao
Faly mahazo fiainanam-baovao
Ô ry Jeso Tompo tia mpanavotra
Tano re tsy handao Anao
Ampaherezo hatoky Anao
Onenonao ny fanahinay
Ry Fanahy Masina ô midina ety
Areheto ny afonao

