Fiaina-mamaky ny onja miavosa
Ny dianay matoky tsy maintsy ho tody
Ny herin-tafiotra tsy mahakanosa
Fa arovan’ny Tompo, tantanany hody
Refrain :
Ny sambonay efa ho tody
Tarihin’ilay Tompo be fitia
Ö mamy dia mamy
Ö mamy ny mody
Ny sambonay efa ho tody
Tsy ahoanay ‘zay rano,
‘Zay rano maria
Ö mamy ny mody
Ilay fitodiana dia tsinjo mazava
Tsy takon’ny zavon’izay fahoriana
Ny fonay mihoby sy mirana lava
Fa akaiky anay e ! ny lanitra hodiana
Refrain : Ny sambonay efa ho tody …
Ny feon’I Jesoa no re mampitony
Ny onja mikendry ity sambo malia
Ka ny dianay ho tafita ao ambony
Satria ilay Mahery no miahy ny dia
Refrain : Ny sambonay efa ho tody …
Ho tsara fizotra tsy maintsy ho tody
Na inona mafy sy loza mihatra
Isaoranay mandrakizay ny Mpamonjy
Omem-boninahitra ilay be fiantra
Refrain : Ny sambonay efa ho tody …

