1) Tompo iray, finoana iray
No mampijoro antsika indray
Asandratsika ho an’ny Ray
Ny vavaka mampifandray
REFRAIN :
Ry Jeso tia, ampireheto
Ny jiron’ny finoanay Anao
Ampitomboy, ny taratry ny fitiavanay Anao
2) Hitory, ho an’ireo tsy mino
No iraka sy asa atao
Ny vavaka aza adino
Manafaka sy manavao
Ry Jeso tia ampireheto
Ny jiron’ny finoanay Anao
Ampitomboy, ny taratry ny fitiavanay Anao
Ny fo sy ny finoana
Ampitomboy lalandava
Ka mandrosoa f’isika tsy
Anisan’ ny mihemotra
Ry Jeso tia ampireheto
Ny jiron’ny finoanay Anao
Ampitomboy, ny taratry ny fitiavanay Anao
Ny fo sy ny finoana
Ampitomboy lalandava
Ka mandrosoa f’isika tsy
Anisan’ ny mihemotra
Aza mangatak’andro
Anaovanao ny asanao