Izahay
Antoko Mpihira TANINKETSA
“Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina.”(Sal 104,33)
Ny Antoko Mpihira TANINKETSA dia Fikambanana velona iray ato amin’ny FJKM SALEMA VAOVAO 67Ha, naorina tamin’ny taona 1994.
Natao ho an’ny sokajin-taona rehetra fa indrindra ireo ankizy sy tanora Sehatra natao
- hitoriana ny Filazatsaran’i Jesoa Kristy an-kira sy amin’ny alalan’ireo talenta samihafa
- hitaizana sy hanolokoloina ireo mpikambana ho tena ho avin’ny Fiangonana
“Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Mar 16,15
Ireo rantsana mandrafitra ny A.M.Taninketsa
Vaomiera Aim-panahy
Vaomiera Sosialy
Vaomiera Hira
Vaomiera Fitaovana
Ireo feo mandrafitra ny A.M.Taninketsa

Feo voalohany

Feo faharoa

Feo fahatelo
Vaomiera Aim-panahy A.M.Taninketsa
Mijery sy mamolavola ireo fandaharan’asa ho enti-mampandroso ny fiainana ara-panahin’ny Antoko Mpihira sy ireo mpikambana ao aminy.
Ary koa miketrika ireo sakafom-panahy ho haroso ny vahoakan’Andriamanitra eny am-pitoriana

TOMPON'ANDRAIKITRA
RAVERONIAINA
Florine
Vaomiera Hira A.M.Taninketsa
Mikaroka ireo hevitra sy mitady ireo fomba samihafa hampandroso ny Antoko Mpihira eo amin’ny lafin’ny hira sy ny zava-kanto
Maro rahateo ny mpikambana no manan-talenta ka anjaran’ny Vaomiera Hira no mandrindra ireny mba hanome vokatra tsara hatrany eo amin’ny sehatry ny Fitoriana ny Filazantsara.

TOMPON'ANDRAIKITRA
RANDRIANAIVOSOA
R.M Andréa
Vaomiera Sosialy A.M.Taninketsa
Mikarakara ny lafiny maha-olona, ary tsy mijanona eo anivon’ny mpikambana ihany izany
fa mandamina sy mandrindra ihany koa rehefa misy ny hetsika ara-tsosialy tanterahin’ny TANINKETSA

TOMPON'ANDRAIKITRA
MAHATSARA
Placidina Marie Ezra
Vaomiera Fitaovana A.M.Taninketsa
Zava-dehibe ho an’ny Antoko Mpihira ny manana fitaovana afaka miasa sy mandeha tsara.
Ny Vaomiera Fitaovana no mikarakara sy manolokolo izany fitaovana sy ny fananana maro isan-karazany izany mba ahatanteraka araka ny tokony ho izy ny Asa.

TOMPON'ANDRAIKITRA
TOLOJANAHARY
Tody Forestin
Feo voalohany A.M.Taninketsa
Ahitana ireo ankizy madinika lahy sy vavy,
nefa koa misy ireo lehibe manatevin-daharana izany feo izany
Feo Faharoa A.M.Taninketsa
Misy ireo tanora sy lehibe ka mahatakatra ny feo somary ambany
FFeo Fahatelo A.M.Taninketsa
Ivondronan’ireo ankizy lahy sy tanora mahatakatra ny feo fahatelo

