Tanoran’i Jesosy Kristy no mandeha
Mitory ny filazan-tsara
Tsy sasatra e na lavitra aza no aleha
Fa misy ilay mpikarakara
Avia re ry olona
Avia re izay noana
Tanoran’i Jesosy Kristy no mandeha
Mitory ny filazan-tsara
Tanoran’i Jesosy Kristy no mandeha
Mamonjy ireo izay mijaly
Manetry tena ka mifady rehareha
Manaiky tsy mamalivaly
Meteza re ry ory fo
Mba raisonao ny vonjy e!
Tanoran’i Jesosy Kristy no mandeha
Mamonjy ireo izay mijaly
Tanoran’i Jesosy Kristy no mandeha
Ny paradisa no ho lovany
Tsy volamena na karama mampandeha
Fa fitiavana ihany
Aza ovana re izao
Fa mahareta ianao
Tanoran’i Jesosy Kristy no mandeha
Ny paradisa no ho lovany

