Ry Dada ô ! Ianao ry Dada tiana
‘Zay nahabe sy naha toy izao
Ny fonay faly, feno fifaliana
Maneho anio ny fiarahabana anao
Ka ny andro anio dia androm-pifaliana
Miavaka natokanay ho anao
Fitiavana tsy lany hamamiana
Ry Dada ô ! Isaoranay anao
Ry Dada ô ! ‘lay tanamasoandro
‘Zay nihafy sy namelona anay
Mitsinjo sy mahatsiaro isan’andro
Ny adidy izay napetraky ny Ray
Ka ny andro anio dia androm-pifaliana
Miavaka natokanay ho anao
Fitiavana tsy lany hamamiana
Ry Dada ô ! Isaoranay anao
Ry dada ô ! Mivavaka izahay
Ny hitahiana lalandava anao
‘Lay fitiavana nomen’ny Ray
No hanjaka sy hameno ny fonao
Ka ny andro anio dia androm-pifaliana
Miavaka natokanay ho anao
Fitiavana tsy lany hamamiana
Ry Dada ô ! Isaoranay anao
Ka ny andro anio dia androm-pifaliana
Miavaka natokanay ho anao
Fitiavana tsy lany hamamiana
Ry Dada ô ! Isaoranay anao

