[Ens – Unisson]
Ianao izay sasatra mikataska ny soa
Mba hanamaivana ny zioganao
Jesoa irery ihany no mahafa-po
Manaiky hitondra izany ho anao
[Ens – 3 voix]
Ianao izay sasatra mikataska ny soa
Mba hanamaivana ny zioganao
Jesoa irery ihany no mahafa-po
Manaiky hitondra izany ho anao
Koa avia hidera an’i Jehovah
Omeo AZY, haja saotra
Dia hanjary ho fifaliana hatrany
No hameno ny androm-piainanao
feon-kira
Vehivavy [x2]
Meteza ianao sakaiza hiaraka amiko
Ho any an-tranon’i Jehovah
Indro IZY efa mitsangana miandry anao
Manaiky andraisanao ny lova soa
Koa avia hidera an’i Jehovah
Omeo AZY, haja saotra
Dia hanjary ho fifaliana hatrany
No hameno ny androm-piainanao
feon-kira + miakatra clé
Lehilahy [x2]
Fa lalan-tery no makany an-danitra
Kanefa hitondra fifaliana
Raha toa ianao manaiky hiara-dalana
Amin’ny fitiavan’i Jesoa
Koa avia hidera an’i Jehovah
Omeo AZY, haja saotra
Dia hanjary ho fifaliana hatrany
No hameno ny androm-piainanao
miakatra clé
Koa avia hidera an’i Jehovah
Omeo AZY, haja saotra
Dia hanjary ho fifaliana hatrany
No hameno ny androm-piainanao

