Kristy dia ho avy indray
Hitondra hazavana
Omega sy Alfa
Lehibe tokoa
Tena ho avy Izy
Miomàna re
Handray ny fitsaràny
Ry firenena (rehetra)
Handray ny fitsarany
Ry firenena
🎶🎶🎶
Jereo ilay tanàna
Masina anie
Nodiovin’ny Tompo
Tamin’ny ràny
Izay handalovany
Dia hamiratra
Ny fahasoavanao
Hameno ny tany (ny tany)
Ny fahasoavanao
Hameno ny tany
🎶🎶🎶
Derao Kristy Tompo
Be fitiavana
Hobio ny fihaviany
Ry voavonjy ô
Hanako eran-tany
Sy ny lanitra
Voninahitra ho Azy
Fiadanana anie (ho antsika)
Voninahitra ho Azy
Fiadanana anie

