MISAOTRA ANAO (NOHO IANAO)

Noho Ianao nandray ahy ho zanakao
Noho Ianao nanoritra ny lalako
Hanara-dia an’i Jeso kristy malalako
Ka nanokafanao ny mason’ny fanahiko
Misaotra Anao aho (misaotra Anao aho)
Misaotra Anao ry Andriamanitro
Misaotra Anao aho ry Andriamanitro

Noho Ianao efa nilaza tamiko
Fa irinao ho Anao ny olon-drehetra
Noho Ianao efa nanokatra ny foko
Hahay miory amin’izay mitalaho
Misaotra Anao aho (misaotra Anao aho)
Misaotra Anao ry Andriamanitro
Misaotra Anao aho ry Andriamanitro

Noho Ianao nanolotra ahy anjara
Ho tanterahiko amin’ny asanao
Dia vonona aho ho fiasana tsara
Hanatanteraka ny asa tianao hatao
Misaotra Anao aho (misaotra Anao aho)
Misaotra Anao ry Andriamanitro
Misaotra Anao aho ry Andriamanitro

Noho Ianao antom-pahavelomako
Dia ho Anao mandrakizay no voadiko
Ka tano aho tsy hisaraka Aminao
Anio, ambara-pahatapitry ny androko
Misaotra Anao aho (misaotra Anao aho)
Misaotra Anao ry Andriamanitro
Misaotra Anao aho ry Andriamanitro