STRUCTURE : And1(x 2) – Refrain – Feon-kira – And2 – Refrain (x2)
Andininy 1:
Fitiavan’i Neny
Dia fitiavana tsara
Tsy aritro mantsy
Ka tiako ambara
Fonosin’ny heviny
Ilay fahendreny
Ka tratrany hatrany
Izay zava-kendreny
Fitiavan’i Neny
Ao anatin’ny fony
Toa feomboromanga
Tsy mety mitony
Refrain:
Fitiavany mantsy fitia tsy mba roa
Ka miaraka ireny ho amin’ny soa
Fitiavan’i Neny fitia tsy mba miova
Ka zaran’ny zanaka hendry mando
Fitia ty mba tolan’ny zava midona
Fitia tsy mivadika tsy mba mirona
Andininy 2
Todio avereno
Reo taompahazaza
Tanilan’i Neny
‘Lay fo manandaza
Ny sainy tsy tony
Tsy mety misava
Afenin’ny endriny
Mirana lava
Ny zanaka hendry
Ny zanaka adala
Eo anilan’i Neny
Dia aamy malala

