HAFALIANA

[x2] Hafaliana sy fiadanam-po
No hameno ny fiainanao miaraka amin’i Jesoa Kristy
Izy irery no azo antoka
Fa hitondra anao ho amin’ny fiainan-tsambatra

Ny fianina izay ela izay
Rakotr’aizina izao tontolo izao
Koa meteza hanova izany indray
Miverana ianao

Raiso Jesoa dieny ankehitrio
Mba hanjaka ao aminao anio
Fahasoavana no miandry anao
Fiainam-baovao

Kristy irery ihany
No hanome izany
Mba hevero izao
Sao ho neninao

Ô mandalo ihany
Ny ety an-tany
Ilay lanitra any
Mba katsao izany

Jeso ‘lay tsy miova
Omaly sy anio
Ary ho mandrakizay

Izy ireny ihany
No hanome ho ahy sy ho anao
Paradisa an-tsany

Kristy irery ihany
No hanome izany
Mba hevero izao
Sao ho neninao

Ô mandalo ihany
Ny ety an-tany
Ilay lanitra any
Mba katsao izany