AMPITOMBOY

Tompo iray, finoana iray
No mampijoro antsika indray
Asandratsika ho an’ny Ray
Ny vavaka mampifandray

Ry Jesoa tia, ampireheto
Ny jiron’ny finoanay Anao
Ampitomboy, Ho taratry ny fitiavanay Anao

Hitory ho an’ireo tsy mino
No hiraka sy asa atao
Ny vavaka aza adino
Manafaka sy manavao

Ry Jesoa tia, ampireheto
Ny jiron’ny finoanay Anao
Ampitomboy, Ho taratry ny fitiavanay Anao

Ny fo sy ny finoanay
Ampitomboy lalandava
Ka mandrosoa f’isika tsy anisan’ny mihemotra aaa

Ry Jesoa tia, ampireheto
Ny jiron’ny finoanay Anao
Ampitomboy, Ho taratry ny fitiavanay Anao

Ny fo sy ny finoanay
Ampitomboy lalandava
Ka mandrosoa f’isika tsy anisan’ny mihemotra
Aza mangatak’andro
Anaovanao ny asanao
Ka mandrosoa f’isika tsy anisan’ny mihemotra aaa

Ry Jesoa tia, ampireheto
Ny jiron’ny finoanay Anao
Ampitomboy, Ho taratry ny fitiavanay Anao
Fitiavanay Anao (x3)