OLON’AFAKA

[x2]
Olon’afaka  ! izay mandray ny teny soa
F’izy no nifidy ny anjara tsy ho lo

Nomena azy ny famonjena
Nomana azy ny fahendrena
Nomena azy ny fifaliana
Nomena azy tsy novidiana

Fa Jesosy no Tompoina
Izy irery no henoina
Ka mandroso izy tsy mirona
N’inona n’inona hidona
Ny herin”ny Tsitoha, no hiaro izay manoa
Tena afaka tokoa, ny olona mifoha

Jesoa Kristy, efa nitia
Ny olona izay nomeny aim-baovao
Tsy nariany nijaliany
Fa jereny sy novonjeny

‘Lay satana tsy tamana
Fa niery lany hery
Ny mazava no handrava
Ny aizi-mbe izay naleha

Fiadanam-po ho amin’ny olon’izay manana an’i Jesoa
Ary fiainana sy hasambarana no miandry azỳ ary aankoatra arỳ