Refrain :
Jesoa ilay tsy miova, anio sy rahatrizay
Izy tia ahy sy tia anao
Jesoa ilay tsy miova anio sy rahatrizay
Izy tia ahy sy tia anao
1 – Tao an-tany karakaina nisy olo marobe
Tsy mba nampodiana maina tao Jesosy nanome
2 – Na dia mofo kely aza tonga nahavoky ireo
Fa nitombo nahagaga samy faly izy ireo
3 – Tao ireo jamba kilemaina sy marary hafa koa
Tsy mba nisy niala maila nositraniNy avokoa
4 – Aza mba misalala, atolory Azy ny fo
Fa ny Tomponao malala faly te hamindra fo
Structure : Ref – Tonony 1 – Ref – Tonony 2 – Ref – Tonony 3 – Ref – Tonony 4 – Refx2

