Tsy avelako Ianao Jesoa
Ny hisaraka amiko
Fa mamiko loatra ny eo an-tratranao
Hiriko tokoa tokoa ny ho eo ankaikinao
Ho safononoka hasambarana
Ref : Mba raiso ny tànako
Tantano aho Jesoa
Fa vonona hiara-dia Aminao
Jesosy tokiko, Jesosy mamiko
Hiaraka Aminao Jesosy ô!
Tsy avelako Ianao Jesoa
Ny hisaraka amiko
Fa tiako loatra ny ho sakambininao
Ny fahavaloko sy ny tafio-drivotra mitady
Ny handavo sy handrendrika
Ref : Mba raiso ny tànako …
Tsy avelako Ianao Jesoa
Ny hisaraka amiko
Fa manonja loatra ny rian-drano be
Hiriko tokoa tokoa ny ho todisoa ary
Hiaraka Aminao doria doria
Ref : Mba raiso ny tànako …

