TSY AVELAKO IANAO

Tsy avelako Ianao Jesoa
Ny hisaraka amiko
Fa mamiko loatra ny eo an-tratranao
Hiriko tokoa tokoa ny ho eo ankaikinao
Ho safononoka hasambarana

Ref : Mba raiso ny tànako
Tantano aho Jesoa
Fa vonona hiara-dia Aminao
Jesosy tokiko, Jesosy mamiko
Hiaraka Aminao Jesosy ô!

Tsy avelako Ianao Jesoa
Ny hisaraka amiko
Fa tiako loatra ny ho sakambininao
Ny fahavaloko sy ny tafio-drivotra mitady
Ny handavo sy handrendrika

Ref : Mba raiso ny tànako …

Tsy avelako Ianao Jesoa
Ny hisaraka amiko
Fa manonja loatra ny rian-drano be
Hiriko tokoa tokoa ny ho todisoa ary
Hiaraka Aminao doria doria

Ref : Mba raiso ny tànako …