MBA HENOY

Mba henoy ny feon’i JESOA
Ry mpanota very ô!
Atsaharo re ny ota
‘Zay mamery aina anao
Jesoa Tompo no miantso anao
Aoka tsy ho lavinao
Dieny mbola re ny antso
Manantona ianao

V : Zao no tenin’ny Mpamojy, ‘zay lazainy aminao :
L : “Manantona Ahy, Vonjy sy mpamela helokao
‘Zaho, Tompo feno antra
Hanome anao ny soa
Ka ny helokao rehetra
Dia ho afako tokoa”

L : “Izaho koa no vavahady, ‘zay hidiranao izao
V : Sady lalan-toran-tady, ‘zay mankao an-danitra ao
‘Zaho dia mofon’aina
Sady ranon’aina koa
Tsy mba misy miala maina
‘Zay rehetra tia tokoa”