1 – Anao avokoa ry Ray izao rehetr’izao
Indraim-bava no teny namoronanao
Anao avokoa ry Ray ny olona rehetra
Samy efa noharinao tahaka ny endrikao
Anao izao tontolo izao
Kanefa tsy bodoinao
Anao avokoa ny olona
Kanefa ampanjakanao
Anao avokoa ry Ray izao rehetr’izao
2 – Mandresy lahatra Kristy ny fitiavanao
Tomponay Ianao nefa nampanompoinay
Ny nanekenao hidina no nisandratanay
Ny fahafatesanao tonga fahavelomanay
Fa nomelohina Ianao
Mba ho fahamarinanay
Nandramanao koa ny Helo
Mba handovanay lanitra
Mandresy lahatra Kristy ny fitiavanao
3 – Fanahy Masina levony ny avonavonay
Iasao ‘zahay mba hanahy antanandroa
Nomena anay daholo ny talenta anananay
Tsy hiavon’izahay fa hofenoin’ny namanay
Tsy misy manana ny feno
Fa mifampiankina avokoa
Raha mpanompo mahatoky
Mifankatia avokoa
Fanahy Masina ô, Tariho, Tanatano et ampio

