1- Jesosy Tompo no mandefa antso re
Valio haingana tanora marobe
Fa ny tanora re no tena tiany
Ka manatona ianao
Isan’andininy:
Mizora ry tanora o!
Ka aza mba mihemotra
Fa matokia re
Jeso alohanao
Mpitarika Hendry tokoa
2 – Vehivavy :
Miantso mba hanao ady mangotraka
Izy hanampy re mba aharesenao
Hanohana anao mba tsy ho potraka
O manatona ianao
Isan’andininy:
Mizora ry tanora o!
Ka aza mba mihemotra
Fa matokia re
Jeso alohanao
Mpitarika Hendry tokoa
3 – Lehilahy :
Ny herin tsandry be sy ny talenta koa
Omeo azy re miaramila soa
Ka milofosa re amin’ny ady be
Handresy no anjaranao
Isan’andininy:
Mizora ry tanora o!
Ka aza mba mihemotra
Fa matokia re
Jeso alohanao
Mpitarika Hendry tokoa
4 – Ho avy Jeso tia amin’ny farany
Hitondra avotra ho et ny zanany
Tena nilofo mba handresy marobe
Manaja ny anarany
Isan’andininy:
Mizora ry tanora o!
Ka aza mba mihemotra
Fa matokia re
Jeso alohanao
Mpitarika Hendry tokoa

