NY HANOMPO


1. Ny hanompo Anao hatrany

Jeso ne mba tiako izao

Na dia sarotra aza izany

‘Zaho tsy hiala Aminao

Refrain :

Ianao nitantana ahy

Tamim-piadanana

Ny foko sy fanahy

Feno Fahasambarana

 

2. Reko ‘zao ny ansonao manao hoe :

Ô avia ry ondriko

Indro efa atolotro re

Raisonao ny Sandriko

Refrain :

Ianao nitantana ahy

Tamim-piadanana

Ny foko sy fanahy

Feno Fahasambarana

 

3. Ry Jesosy Mpiandry Malala

Tazony aho izao

Tsy ho lavitry ny vala

Fa ho eo akainao

 

Refrain :

Ianao nitantana ahy

Tamim-piadanana

Ny foko sy fanahy

Feno Fahasambarana

 

4. Ao Ziona ao ambony ao

Misy ny fonenantsoa

Hiarahako Aminao

Rahatr’izay ry Tompo soa

 

REFRAIN : x2

Ianao nitantana ahy

Tamim-piadanana

Ny foko sy fanahy

Feno Fahasambarana